2026-03-21
Ny tanora malagasy no ho avin'i Madagasikara. Antso avo mba tsy ho voafitaka sy voazarazara ary hiofana amin'ny fitondrana firenena rahampitso.
Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nataon’ny tanora tamin’ny faran’ny taona 2025, izay naneho fa manana hery sy andraikitra izy ireo. Fa ny fanamby lehibe izao : tsy ny mihetsika ihany, fa ny miomana. Tsy ny mandrava ihany, fa ny manorina Antso avo mampahatsiahy fa an’ny tanora ny hoavin’i Madagasikara, saingy mila fahaizana sy fahavononana izany. Loharano : Kolo Tv
Télécharger© 2026 Soa i Madagasikara