Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany.
Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa i Madagasikara. « Vary vokatr’i Betsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony, samy mitazana avokoa ». Koa dia manasa antsika rehetra hiara-hitazana sy hanaraka ity fandaharana vaovao atolotra eto ity.
Soa i Madagasikara Radio utilise des cookies nécessaires au bon fonctionnement du site et, avec votre accord,
des cookies de mesure d'audience pour comprendre la navigation et améliorer nos contenus. Vous pouvez accepter,
refuser ou personnaliser vos choix à tout moment.