Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ, Ray aman-dReny iray avy any Sambava no miantso ny tanora mba tsy hiandany amin’ny fitondrana intsony, manoloana ny herisetra sy ny ain-jaza very nandritra ny famoretana.
Ao anatin’ity fizarana ity dia heno ny antso mafy nataon’ny Ray aman-dReny iray avy any Sambava nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy nanafina hevitra izy, ary tsy nihodinkodina tamin’ny teniny.
Manoloana ny famoretana sy ny herisetra nitranga, ary indrindra ny fahaverezan’aina nahazo tanora mpianatra, dia niantso mivantana ireo zanaka sy tanora rehetra ao amin’ny faritra SAVA izy mba tsy hiandany amin’ny fitondrana intsony.
Soa i Madagasikara Radio utilise des cookies nécessaires au bon fonctionnement du site et, avec votre accord,
des cookies de mesure d'audience pour comprendre la navigation et améliorer nos contenus. Vous pouvez accepter,
refuser ou personnaliser vos choix à tout moment.