Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Ny tanora malagasy no ho avin'i Madagasikara. Antso avo mba tsy ho voafitaka sy voazarazara ary hiofana amin'ny fitondrana firenena rahampitso.
Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy.
Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika
Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nataon’ny tanora tamin’ny faran’ny taona 2025, izay naneho fa manana hery sy andraikitra izy ireo.
Fa ny fanamby lehibe izao : tsy ny mihetsika ihany, fa ny miomana. Tsy ny mandrava ihany, fa ny manorina
Antso avo mampahatsiahy fa an’ny tanora ny hoavin’i Madagasikara, saingy mila fahaizana sy fahavononana izany.
Loharano : Kolo Tv
Soa i Madagasikara Radio utilise des cookies nécessaires au bon fonctionnement du site et, avec votre accord,
des cookies de mesure d'audience pour comprendre la navigation et améliorer nos contenus. Vous pouvez accepter,
refuser ou personnaliser vos choix à tout moment.