Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Miverina amin’ny fototra malagasy ve i Madagasikara? Resahana ato ny anjara toerana lehibe tokony homena ny Fokontany sy ny fananganana rafitra mifanaraka amin’ny maha-malagasy.
Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika?
Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ihany koa.
Asongadina ato ny hevitra hananganana rafitra mifototra amin’ny anarana sy fomba malagasy:
Fokontany - Firaisam-pokontany - Fivondronam-pokontany - Fireneana.
Tanjona ny hanorenana rafitra miorina amin’ny zava-misy sy ilaina ary akaiky ny vahoaka, fa tsy rafitra nalaina tahaka avy any ivelany.
Ao anatin’ny fanavaozana, aorian’ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifampidinihana nasionaly, dia andrasana ny fananganana Lalàmpanorenana vaovao. Fanamby lehibe ny hahatonga izany ho taratry ny maha-malagasy, ny kolontsaina, ary ny fomba fijery manokana ny firenentsika.
Fanontaniana mipetraka: ho sahy hanorina rafitra tena malagasy ve isika, sa mbola hifikitra amin’ny modely vahiny?
Soa i Madagasikara Radio utilise des cookies nécessaires au bon fonctionnement du site et, avec votre accord,
des cookies de mesure d'audience pour comprendre la navigation et améliorer nos contenus. Vous pouvez accepter,
refuser ou personnaliser vos choix à tout moment.