Podcast sur l'éducation civique et citoyenne à Madagascar. Des émissions sans autre ambition que de partager à tous les Malagasy la connaissance de son environnement social, économique, juridique et politique pour mieux vivre ensemble et construire un développement cohérent aux aspirations de tout un peuple. Fandaharana miandrandra ny fanabeazana ny olom-pirenena eto Madagasikara. Fandaharana tsy misy finiavana afa tsy ny fizarana ny fahalalana mikasika ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena, lalàna ary politika eto @ firenena mba hanatsarana ny fiaraha-monina sy hampiharana izay fandrosoana andrandrain'ny maro an'isa. Atolotry ny Dr Nirina MILIJAONA.
RSS iTunes
2024-12-01
Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia.
Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy.
Télécharger© 2026 Soa i Madagasikara