Podcast sur l'éducation civique et citoyenne à Madagascar. Des émissions sans autre ambition que de partager à tous les Malagasy la connaissance de son environnement social, économique, juridique et politique pour mieux vivre ensemble et construire un développement cohérent aux aspirations de tout un peuple. Fandaharana miandrandra ny fanabeazana ny olom-pirenena eto Madagasikara. Fandaharana tsy misy finiavana afa tsy ny fizarana ny fahalalana mikasika ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena, lalàna ary politika eto @ firenena mba hanatsarana ny fiaraha-monina sy hampiharana izay fandrosoana andrandrain'ny maro an'isa. Atolotry ny Dr Nirina MILIJAONA.
RSS iTunes
2026-04-07
Miverina amin’ny fototra malagasy ve i Madagasikara? Resahana ato ny anjara toerana lehibe tokony homena ny Fokontany sy ny fananganana rafitra mifanaraka amin’ny maha-malagasy.
Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ihany koa. Asongadina ato ny hevitra hananganana rafitra mifototra amin’ny anarana sy fomba malagasy: Fokontany - Firaisam-pokontany - Fivondronam-pokontany - Fireneana. Tanjona ny hanorenana rafitra miorina amin’ny zava-misy sy ilaina ary akaiky ny vahoaka, fa tsy rafitra nalaina tahaka avy any ivelany. Ao anatin’ny fanavaozana, aorian’ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifampidinihana nasionaly, dia andrasana ny fananganana Lalàmpanorenana vaovao. Fanamby lehibe ny hahatonga izany ho taratry ny maha-malagasy, ny kolontsaina, ary ny fomba fijery manokana ny firenentsika. Fanontaniana mipetraka: ho sahy hanorina rafitra tena malagasy ve isika, sa mbola hifikitra amin’ny modely vahiny?
Télécharger© 2026 Soa i Madagasikara